Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahadin’ny Sampan-drofia 06-11 Avrily 2020 « Ny fanekem-pamonjena mandrakizay » *

Ny hafatra: Hitantsika nisesy teto ireo Loha-hevidehibe izay mahakasika ny asa ataon’Andriamanitra ho an’ny olona, dia ”ny fanavotana azy,”ny fitahiana azy”, ary izao dia ”ny famonjena azy”. Endrika isehoan’ny fanasoavan’Andriamanitra ny olombelona avokoa izy ireo. Koa mba hiorenan’izany tsarasy haharetany eo amin’ny olona sy ny taranany mifandimby, dia nofatorany tamin’ny alalan’ny ”Fanekena” izy ireo, dia … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady II mialoha ny Paska 30 Marsa – 04 Avrily 2020  » Ny fanekem-pitahiana mandrakizay » *

Ny hafatra: Ny hoe ”Andriamanitra manao fanekem-pitahiana” amin’ny olony dia midika fa manome antoka Izy ny amin’ny hanatanterahany ny fikasam-pitahiana ho azy; ary miaraka amin’izany dia mampaharitra mandrakizay ny fitahiany Izy ho amin’ny taranaka mifandimby rehetra, araka ny teny nomeny an’i Abrahama manao hoe: “Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin’ny taranakao … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady III mialoha ny Paska 23-28 Marsa 2020 « Ny fanekem-panavotana mandrakizay » *

Ny hafatra: Ny hevi-dehibe fonosin’ny hoe ”fanekem-panavotana” dia ny hahatanteraka fanavotana mandrakizay, izay omen’Andriamanitra ny olona mba hitomoerany tsara ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ka tsy hahavery azy. Fa raha ny olona mety mivadika amin’ny teniny sy ny zavatra nekeny, Andriamanitra kosa dia mitoetra amin’izay nolazainy sy nekeny, araka ny voasoratra hoe: ”Fa na dia tsy matoky … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady IV mialoha ny Paska 16-21 Marsa 2020 « Andriamanitra Mpamonjy Mahery » *

Ny hafatra: Ny hoe ”Andriamanitra Mpamonjy Mahery” dia maneho ny maha-Andriamanitra Azy indrindra, dia Izy Fitiavana (1 Jao.4:16) ka tia mamonjy ny olom-bery; fa hoy Jesosy: ”Fa efa tonga ny Zanak’oloka hitady sy hamonjy ny very” Lio.19:10; ary koa Izy Tompon’ny hery rehetra ka afaka manatanteraka ny asam-pamonjena feno ny mpanota. Fa tsy misy toa … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady V mialoha ny Paska 09-14 Marsa 2020 « Andriamanitra tia mamonjy ny olona » *

Ny hafatra: Andriamanitra tia mamonjy ny olona, satria tsy tiany ny hahavery azy. Misy dikany sy lanjany manokana izany, indrindra amin’izao fotoan’andro sarotra diavintsika izao, izay voalaza ho ”Andro mahory” (2 Tim.3:1), dia ny fahavoazana mahazo ny olona noho ny fiatahany amin’Andriamanitra Velona sy Mpamonjy azy. Fa eo koa ny fizahan’Andriamanitra toetra ny safidin’ny olona … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VI mialoha ny Paska 02-07 Marsa 2020 « Ny mino mandresy » *

Ny hafatra: ”Ny mino mandresy”, satria Andriamanitra no momba azy. Niteraka azy tamin’ny sakramentan’ny batisa sy ny herin’ny Fanahy Masina Izy (Jao.3:5), ary manamasina azy amin’ny tenin’Andriamanitra (Jao.17:17). Hoy Jaona Apostoly: ”Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra” Jao.1:12, dia zanaka tsy manota fa mandresy ny ota. Fa ”Izay rehetra naterak’Andriamanitra … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VII mialoha ny Paska 24-29 Febroary 2020 « Andriamanitra mampahery ny olony »

Ny hafatra: ”Andriamanitra mampahery ny olony” dia Izy mampandresy azy amin’ny adiny. Endriky ny fiahian’Andriamanitra ny olony ny mampahery azy amin’ny adiny, ka tsy amelany azy ho menatra na hangaihay (1 Pet.2:6). Fa maro ny ady atrehany: ny fahasarotana ara-piainana sy ny fahasahiranana samihafa, ny faharatsiana sy ny tsy fahamarinana, ny ady amin’ny devoly sy … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady VIII mialoha ny Paska 17-22 Febroary 2020 « Matokia izay lazain’ny tenin’Andriamanitra » *

Ny hafatra: Matokia izay lazain’ny tenin’Andriamanitra. Fa toky tsy mamitaka ny tenin’ Andriamanitra satria velona sy mahery izy (Heb.4 :12) ka mahatanteraka izay lazainy. Vavolombelona maro no nanamarina izany, ary ny voalohany sady lehibe indrindra amin’izany dia Andriamanitra mihitsy amin’ny alalan’ny Jesosy Kristy Zanany izay « Teny tonga nofo ka nonina tamintsika » Jao.1:14a. Miaraka … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady IX alohan’ny Paska 10-15 Febroary 2020 « Andriamanitra manorina ny fanjakany » *

Ny hafatra : Satria rava noho ny fahotan’ny razamben’ny taranaky ny olombelona ny fiadanana tao Edena, vokatry ny nandavany ny tenin’Andriamanitra (Gen.3:6), dia naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany ny Ray mba hanao fanavotana ny mpanota sy fampihavanana azy Aminy indray, ary hanangana azy ho zanaka mandova ny fanjakany ho fiainana mandrakizay (Rom.8:17). Tonga tokoa Jesosy … [Read more…]

Fiangonana Loterana Malagasy Hira & Filazantsara Alahady IV manaraka ny Epifania 03-08 Febroary 2020 “Andriamanitra miseho, miahy ny olony” *

Ny hafatra: Andriamanitra miahy ny olony satria tia ka tsy mahafoy azy ho very. Fa voasoratra hoe: ”Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” Jao.3:16. Koa dia tonga tetỳ an-tany tokoa Jesosy Kristy Zanaka mba hahatanteraka ny iraka lehibe … [Read more…]